Nihanoka ny fankalazana ny fety telo sosona ny vahoaka tsirairay nandritra iny volana desambra hatramin’ny fiandohan’ny taona teo iny. Miezaka mitady vola ahafahana miatrika ny volana janoary sy ny volana manaraka indray, taorian’izany. Taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao, miverina amin’ny fiainana andavanandrony avokoa […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Novangian’ny mpomba ny vondron’ny kandidà (C11) ireo voafonja miisa 5 mirahalahy eny Antanimora, ny faran’ny taona teo. Nisy ny fanomezana avy amin’ny “Hetsika fotsy” avy any La Réunion natolotra azy ireo tamin’izany. Hivoaka ny 30 janoary ny didy. Nifamela ny depiote Ramaroson sy ilay mpanao gazety, Rakotomalala Rossignol, rehefa avy […]
Andriantsizehena Benja Urbain: “Ilaina ny teknisianin’ny antoko…”
Andrasana ato ho ato ny fampahafantarana ny ho praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nitondra ny heviny momba izany ny eo anivon’ny RPSD, amin’ny alalan’Andriantsizehena Benja Urbain (Bebin). “Fotoana izao ilana ny teknisianin’ireo antoko efa voky traikefa sy nitana anjara toerana teto amin’ny firenena ho mpiara-miasa na ho minisitra”, […]
Vonon-kiady !
Vita izay ny fety ! Hiverina amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fanamby napetraka ny fitondram-panjakana vao voafidy. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany iny ny filohan’ny Repoblika. Mazava ny teny nataony fa tsy maintsy tazomina ny vava navoaka, indrindra mahakasika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. […]
Vovonana IRD : hivoaka anio ireo anarana telo ho praiminisitra
Tsy miandriandry. Hamoaka ireo anarana telo izay ho praiminisitra ny vovonana IRD, anio. Avy amin’io lisitra io no hisafidianan’ny filohan’ny Repoblika. «Izahay no maro anisa. Tsy maintsy miainga avy aty aminay ny anarana hatolotra ho praiminisitra, ary ny filohan’ny Repoblika no tompon’ny teny farany. Tsy misy depiote IRD na iray […]






