Other News

 “Grand Open ABMI”: miisa 149 ireo ekipa nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Boulodrome Para Ivato, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana “Grand Open ABMI”, taranja tsipy kanetibe. Nahatratra 149 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’izany. Nataon’ny Club amical bouliste Mandrosoa Ivato (ABMI) ho fahatsiarovana an’itompokolahy jeneraly Rarivomanana Tahiry, ity fifanintsanana ity, ary mba ho fanomezana sehatra ireo olona rehetra […]

Can 2024: voatendry hitsara lalao i Dimbiniaina

Navoakan’ny vaomieran’ny mpitsara baolina eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), omaly talata, ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena “Can 2024”. Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire, manomboka ny 13 janoary ho avy izao. Anisan’ireo manana solontena amin’izany ny Malagasy na tsy mandray anjara […]

Indray mijery

Hitoetra amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny ankapobeny, ny oram-baratra ary hiitatra saika manerana ny Nosy izany, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hisy fidinana ny maripana farany ambony ho an’ny afovoantany sy any atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Anisan’ny mety hahatonga fahapoizinana ara-tsakafo ny menaka. Hisorohana izany, tsy azo ampiasaina […]

Taratry ny kanto

Ny 9 sy 10 ary 11 marsa 2024 izao no hankalazana ny Taom-baovao malagasy. Ho an’io taona mitsidika io, anisan’ny zava-dehibe sy manana ny lanjany ny fahafahan’ny tsirairay mankalaza izany isan-tokantrano, na faritra na toerana. Tsy vitsy rahateo ireo efa mahalala ny fomba tokony hotanterahina amin’izany : harendrina, afo tsy maty, […]

Finoana sy fahalalana: resy eto amin’ny taniny ny Malagasy

Desambra, volana farany amin’ny taona iray, ho an’ny fanisana andro gregorianina. Volana mampivandravandra ihany koa fa takona manoloana ny an’ny hafa ny finoana sy ny fahalalan’ny Malagasy. 25 desambra, nahaterahan’i Kristy. 31 desambra faran’ny taona ho any amin’ny taona vaovao manaraka indray. Ny fanisana andro gregorianina no nametraka ireo fa […]