Manoloana ilay raharaha tany eny Anosiavaratra, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany (MATSF), omaly. “Manameloka tanteraka ny fivadiham-pitokisana nataon’ilay tale voarohirohy io ny minisitera sy ny mpiara-miasa rehetra”, hoy ny fanambarana. Napetraka ho mpiara-miasa hitady ny hahasoa ny vahoaka nefa vao mainka nambotry vahoaka. Nandika tanteraka ny foto-kevitra mibaiko ny asa rehetra eo anivon’ny minisitera, araka ny fanambarana hatrany. Notsindrin’ny MATSF fa iankinan’ny fiainan’ny Malagasy rehetra sy ny firenena manontolo ny tany. Andrandrain’ny vahoaka ny fanamboarana sy fanatsarana goavana momba ny tontolon’ny fananantany. “Tsipahin’ny minisitera marindrano raha ny antenain-kanirina no nampivandravandra ka nanao fomba mamoafady hangalarana tanim-bahoaka”, hoy ihany ny MATSF.
Tsiahivina fa tsy tanteraka, afakomaly, ny fiakaran’ireo voarohirohy momba ity raharaha ity teny amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha. Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka izany noho ny tsy fahampian’ny porofo ilaina hahafahana manohy ny famotorana. Fanadihadiana tanterahin’ny sampana miandraikitra ny fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary eny Fiadanana. Mety ho anio izany vao hiakatra fampanoavana.
Synèse R.




