Fijoroan’ny governemanta: efa mandinika ny fanendrena minisitra ny filoha

Hitsangana amin’ny tapaky ny volana janoary io raha tsy misy ny fiovana ny governemanta vaovao. Efa mandinika miandalana ny momba ireo minisitra handrafitra izany ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, araka ny tsilian-tsofina heno. Hahitana praiminisitra lefitra sy sekreteram-panjakana ary minisitra lefitra.
Mialoha izany, ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izay ho praiminisitra lehiben’ny governemanta raha tsy misy ny fiovana. Anisan’ny mbola hiadian-kevitra anatin’ny safidin’ireo depiote maro anisa, IRD, ny anarana fahatelo hatolotra ny filoham-pirenena. Voalaza fa omaly no tokony naterina ny lisitra. Hatramin’izao anefa, tsy nisy nipika ny fivoriana nataon’izy ireo manoloana ny hanolorana ireo anarana any an-dapa.

Tsara toerana

Araka ny angom-baovao natao hatramin’ny omaly, anisan’ny lohalaharana amin’ny safidin’ireo depiote ny praiminisitra teo aloha, Ntsay Christian. “Tena mbola tsara toerana amin’izany ho lehiben’ny governemanta izany izy”, hoy ny depiote iray avy amin’ny IRD.
Etsy andaniny, efa miely ny feo fa vehivavy efa avy minisitra ny anarana faharoa. Efa tandapa sady ministra teo aloha lehilahy ny fahatelo. “Ao anatin’ny fandinihana ny momba izany izahay izao”, hoy ny depiote IRD, Velon­tsara Paul Bert.

Synèse R.

Partager sur: