Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone. Antoka […]
Other News
Taom-pambolena 2023-2024: nisitraka masomboly ny tantsaha mpamokatra
Mitohy ny fanampiana ny tantsaha ao anatin’ny tetikasa “PURPA” tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE), ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Tantsaha 168, avy ao amin’ny kaominina Belo amoron’i Tsiribihina, no nisitraka masomboly, voanjo fleru 11 voafantina, milanja 4,704 taonina sy zezika NPK 3,360 t ary zezika biolojika 16,800 t. Ankoatra […]
Tsena: Tafakatra 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy
Nisondrotra tampoka ny vidin’ny siramamy eny an-tsena. Manodidina ny 5 500Ar ny iray kilao raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha. Nahitam-piakarana avokoa ny ankamaroan’ny vidin’ entana andavanandro. Ankehitriny, 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha. “Nanomboka ny tapaky ny volana novambra […]
Ankazobe : mitsoaka amin’ny distrika manodidina ireo mpaka an-keriny
Mandositra miala amin’ny tananan’Ankazobe avokoa ireo dahalo taorian’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Manao tongotra an-katoka mihazo an’i Fenoarivobe hatrany Anjozorobe izy ireny, araka ny nambaran’ny solontenan’ny mponina. Manoloana ny trangana fakana an-keriny niseholany tao amin’io distrikan’Ankazobe io, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo […]
Nofatorana hanondro ny mpanambola : fanafihana hafahafa teny Ambatomirahavavy
Indray lasibatry ny jiolahy ny fianakaviana efatra. Nifandimbiasana nofatorana sy noterena, ary nasaina nanatitra tany amin’ny mpanambola ireo lasibatra. Tanàna roa tao amin’ny fokontany Ambohimanandray, kaominina Ambatomirahavavy no nanamparany ny asa ratsiny, ny alin’ny sabotsy 9 desambra teo. Voaroba ny vola an-tapitrisa sy ny firavaka. Tokantrano efatra nasesin’ny dahalo. Dahalo […]






