Mitohy ny fanampiana ny tantsaha ao anatin’ny tetikasa “PURPA” tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE), ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Tantsaha 168, avy ao amin’ny kaominina Belo amoron’i Tsiribihina, no nisitraka masomboly, voanjo fleru 11 voafantina, milanja 4,704 taonina sy zezika NPK 3,360 t ary zezika biolojika 16,800 t. Ankoatra ireo, tantsaha mpamokatra 235 isa, tao amin’ny kaomina Ambovombe afovony, distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania, ihany koa no nozarana masomboly voanjo milanja 3 276 kg, vary an-drano 36 kg, vary an-tanety 2 052 kg, zezika NPK 4 110 kg ary zezika biolojika 20 550 kg. Fanamby lehibe apetraky ny tetikasa ny fahavitan-tena
ara-tsakafo. Manohy izao fanohanana ara-teknika sy ara-teknika izao ihany koa ny MINAE mba hampitomboina ny famokarana sy mba hanatrarana ny tanjona apetraka. Maro ireo faritra efa nisitraka izao fanohanana izao ary mbola hitohy manerana ny Nosy ny fizarana tohana. Mamatsy vola ny tetikasa ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny tahirim-bola ho fampandrosona ny fambolena (FDA).
Henintsoa H.




