Other News

Fahafatesan’ilay « transitaire » tao Toliara : voasambotra ilay atidoha nikotrika ny famonoana

Tratran’ny mpitandro filaminana, afakomaly tolakandro, tamin’ny 3 ora ilay atidoha nikotrika ny famonoana ilay lehilahy “transitaire”, tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara. Olona roa hafa voasambotra. Niampy telo indray, afakomaly, ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny famonoana ilay lehilahy misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray, “transitaire”, tao Besakoa. Namoahan’ny […]

« Untitled Miami Art Fair »: mahaliana ny mpitsidika ny kanton’i Temandrota

Hitohy hatramin’ny alahady 10 desambra 2023 ny fampirantiana “Untitled Miami Art Fair”, tanterahina ao Etazonia. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Temandrota, Malagasy mpahay kanto. Tafiditra anatin’ireo nanokatra ny fampirantiana ny haikanton’ity Malagasy ity. Nahaliana sy nambabo ny fon’ny mpitsidika sy ny tomponandraikitra tany an-toerana ny tabilao nampitondrainy ny anarana hoe […]

Fampitiavana ny kolontsaina – Taona 2024: raikitra ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray »

Novolavolaina tao anatin’ny taona maro ! Raikitra fa hotanterahina manomboka ny taona 2024 ny tetikasa « To­kantrano iray, valiha iray ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Académie » izy ity, ho fampitiavana ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Sedra telo lehibe no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana, raha ny fanazavan’ny […]

Tsy mety tafarina: ny kolosaina mihitsy no mbola voazanaka

Tsy mbola mahita mangirana ihany i Madagasikara. Vao mainka aza mijotso amin’ny lafiny rehetra ny ankamaroan’ny Malagasy. Maro ireo kajikajy heverina fa mahatonga izany… Toa tsy tazana sy vitsy mpiteny ny kolosaina sy ny fanabeazana. «Manan-karena i Madagasikara » ! Maro tsy tambo isaina ny porofo manamarina izany. « Mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Raytra Belaw’Yck, eny Andohalo. Hatsikana amin’ny endriny maroloko indray no hatolotr’ity mpanakanto mpampiala voly ity, anio manomboka amin’ny 7 ora alina, eny amin’ny Haka Fy Authentic Restaurant Andohalo. Seho azy manokana, toy ny efa nahafantaran’ny maro azy no homaniny, ary maimaimpoana izany ho an’ireo mitady fialamboly hafa. Mamy Bastah – […]