Other News

Tranombokim-pirenena : hisy velakevitra atolotr’i Hobiana

« Ny filalaovana amin’ny teny : siran-daokan’ny tantara » no lohahevitra nosafidin’ny Famoloana Telozoro, iompanan’ny velakevitra anio. Hitarika izany i Hobiana Andrianimerina, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Na inona na inona dia ny asa soratr’izay nahay niangaly fitantarana no hitoetra, fa tsy izay nitantara rehetra akory », hoy […]

« Prix international de littérature francophone » : Lasan-dRaharimanana Jean Luc ny amboaran’ny taona 2023

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRaharimanana Jean Luc. Hatolotra azy rahampitso indray ny « Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane 2023 ». Tanterahina ny 7 desambra 2023, ao amin’ny Institut culturel Roumain, ao Paris Frantsa, ny lanonana fanolorana ny “Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane”, taona 2023. Lasan-dRaharimanana Jean Luc, […]

Olona manana fahasembanana : manomboka amin’ny fahazazana ka hatreny anivon’ny tontolon’ny asa ny sakana

154 000 na 0,6% amin’ny mponina eto Mada­gasi­ka­ra no manana fa­hasembanana ara-batana, ara-pahitana, ara-pi­hainoana, ara-tsai­na, araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny RGPH-3, tamin’ny taona 2021. Maro karazana ny fahasembanana mahazo sy miseho eo amin’ny olombelona. Misy ireo sembana hatrany am-bohoka, ny fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana. Eo koa ny loza na aretina nihatra […]

FANTINA sy FINTINA

Hisahana asa telo ny Dr Rakotozafy Denis. Hitondra ny FFKM, manomboka amin’ny taona ho avy. Eo koa anefa ny handraisany ny toeran’ny filohan’ny FFPM, isoloany ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako Ammi, filoha teo aloha ary ny maha filohan’ny FLM azy. Notendren’ny papa Fransoa, ho evekan’ny diosezin’i Taolagnaro ny mompera, Razafitsimialona Luc […]

FANDRAFETANA GOVERNEMANTA: “Malalaka ny filoha”, hoy ny Depiote Rakotondrasoa Fetra

Tsy tokony hisy olona na vondron’olona haneritery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay ho mpikamban’ny governemanta vaovao hajoro eo, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Freedom, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, momba ny fandrafetana ny governemanta amin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filoha Rajoelina. Tsy olona no […]