Other News

Izay voky no mangina

Efa hita miparitaka amin’ny fitaovan-tserasera fa hanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy, ho amin’ny dimy taona manaraka i Andry Rajoelina. Efa mandamindamina izany avokoa ny ekipa rehetra, indrindra ny eny an-dapa. Adidin’izy ireo rahateo ny mamolavola sy mandamina izany mba tsy hisy ny lesoka. Mariky ny ho fahombiazana […]

Kolikoly sy fanodinkodinam-bola : nogiazan’ny Arai ny vola 6 miliara Ar sy fiara miisa 206

Napetraka ny paikady vaovao hoenti-manatsara ny asa famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa nahazoam-bokatra ny asa vita teo aloha, araka ny tatitra natao tetsy Antanimena, omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Antokondra­ha­raha misahana ny fa­merenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (Arai), Rasolohari­ma­nana Aimé, fa mitentina 6 miliara […]

TSELATRA

Voasambotry ny zandary ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra varavarana amina tranon’olona iray eny Tsaramanga Tsiafahy, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo koa ny fitaovana fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Maro ireo tranon’olona very varavarana amin’iny faritra iny, raha ny fanazavan’ny zandary. Tratra teo am-panongotana jiro manazava ny tanàna ao […]

Itaosy : lehilahy maty voatsatok’antsy

Lehilahy iray vao erotrerony hitan’ny fokonolona nihosin-dra nitsirara tamin’ny tany tao amin’ny fokontany Am­bohi­janamasoandro Itaosy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony io lehilahy io ary nihohoka. Voaletra antsy teo amin’ny ambavafony io lehilahy io. Mpandalo vao maraina no nahatsikaritra ny fisiany ka nampandre avy hatrany ny manodidina. “Tsy mbola misy […]

Soamanantombo ; tratran’ny zandary ireo mpangala-jaza

Azo teny am-pelatanan’ireo mpangalatra i Mahery, ilay zazalahy vao herintaona nangalarin’olona ny 1 desambra 2023 lasa teo, teny Soamanantombo. Nangataka vola mitentina 7 hetsy Ar ho sandan’ny famotsorana azy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany anefa ireo mpangala-jaza. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary afakomaly. Tratra tao amin’ny fokontany […]