Anisan’ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nisongadina nandritra iny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-180 farany teo iny, i Sitraka Randriamahaly. Voafidin’ny mpitsara homena ny « Mention spéciale », tao anatin’ny sokajim-pifaninanana « Animation Panafricaine » izy, niaraka tamin’ilay horonantsary « Rough world ». Araka ny nambarany, ao anatin’ny vina ny amin’ny hiatrehana ny PIAFF 2024, any Paris izy amin’izao miaraka amin’ny horonantsariny “Rough World”. […]
Other News
“World Choral Day”: haneho an-tsehatra ny “Messiah” ny ICanto
Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira. Mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Seho klasika anisan’ny malaza indrindra no hanamarihan’ny ICanto izany. Nanomboka ny taona 1990 no nanamarihana ny « World Choral Day ». Nosafidiana maneran-tany fa isaky ny alahady faharoan’ny volana desambra no hatokana ho an’ireo antoko mpihira, ka miovaova ny daty, araka izany. […]
Indostria eto Madagasikara : Ezaka vaovao hampandrosoana ny toekarena ny ODOF
Imasoana ny fametrahana indostria eto amintsika. Tafapetraka ny Filankevitra nasionaly ho an’ny indostria eto Madagasikara (CNIM), tamin’ ny 20 novambra teo, tao amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Lany ho filoha Rasoamanana Christian. Nanokatra ny fotoana ny minisitra Razafindravahy Edgard. Politika arahina amin’izany ny hoe distrika iray hanorenana indostria […]
FANTINA sy FINTINA
Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalomanana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]
Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”
“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]






