Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa hirosoana sy tanterahina hatrany izany. “Na misy fifidianana na tsia, tsy maintsy ataon’ny Ceni izay fanavaozana isan-taona izay. Miankina amin’ny tetiandro hanatanterahana azy ny fifidianana ho avy manaraka eo”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, […]
Other News
Fanafihana taksiborosy : notanana am-ponja ireo valo voasambotra
Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Manjakameva, Fokontany Ambaliha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 desambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana […]
TSELATRA
Roa lahy mpangalatra vy voasambotry ny zandary tetsy Andoharanofotsy, afakomaly. Nanao rotsak’ alina, nanararaotra ny fiavian’ny orana izy mirahalahy ireto. Nifanena tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nefa ka noraisim-potsiny. Tafaporitsaka ny iray raha toa ka voatazona ny namany. Roa lahy mpaka an-keriny maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ankilivalo, distrikan’i Mahabo, […]
Ambatolampy : mpangalatra gisa naiditra am-ponja
Mpangalatra gisa roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika, tao amin’ny fonja an’Ambatolampy, taorian’ny fampanoavana omaly. Nanararaotra ny fiavian’ny andro fety, nalain’izy roa lahy ireo antsokosoko ny gisa miisa sivy tao amin’ny tanànan’i Sahamadio, kaominina Ambohipihaonana. Tratra tao amin’io tanàna io ihany anefa ny iray tamin’ireo voalaza ho nanao ny fangalarana. Nentina […]
Nivarina tao ambany tetezana : potika ilay fiara 4×4, olona 6 indray maty
Olona dimy indray maty tsy tra-drano, iray maty tany amin’ny hopitaly. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho teo amin’ny tetezana Estapro, kaominina Antsakoamanondro, distrikan’Ambanja, faritra Diana, omaly vao maraina. Olona roa hafa kosa naratra mafy (namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly, omaly hariva ny iray) ka nalefa any amin’ny hopitalin’Ambanja. […]







