Fanafihana taksiborosy : notanana am-ponja ireo valo voasambotra

Naiditra am-ponja vonji­maika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka ta­min’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Man­ja­kameva, Fokontany Ambali­ha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 de­sambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana voa­sambo­tra ireo. Nanao hetsika fisafoana manokana ny zandary notarihin’ny lietnà Rakotozafy Hasi­na, izay mi­asa ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ka nanao ny paikady hanatrarana ireo dahalo. Nosakanan’ireo dahalo ny fiara mandalo lalam-pirenena. Nangalarin’izy ireo ny entan’ ireo mpandeha anaty taksiborosy mandalo ka nopote­hany ny fitaratry ny fiara. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo olon-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora ma­raina, nandritra ny fifanjevoana. Azo sambo-belona kosa ny namany valo. Natolo­tra ny fampanoavana ireto farany, io omaly io. Notanana am-ponja vonjimaika avy ha­trany izy ireo ary miandry ny fotoam-pitsarana azy. Manen­tana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina ny zandarimariam-pirenena ha­naraka hatrany ny laharana napetraky ny mpitandro filaminana hahafahan’izy ireo misambotra ireo olon-dratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: