Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa hirosoana sy tanterahina hatrany izany.
“Na misy fifidianana na tsia, tsy maintsy ataon’ny Ceni izay fanavaozana isan-taona izay. Miankina amin’ny tetiandro hanatanterahana azy ny fifidianana ho avy manaraka eo”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’ ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana solombavambahoaka. Raha aorian’ny famaranana tanteraka an’izay fanavaozana isan-taona izay no hanaovana fifidianana, ny lisi-pifidianana nanaovana fanavaozana isan-taona no hampiasaina amin’izany. Raha mialoha ny famaranana tanteraka an’izay fanavaozana ny lisi-pifidianana izay ny fifidianana hatao, ny lisi-pifidianana teo aloha ihany no hampiasaina.
Famaranana vonjimaika
Any amin’ny tapaky ny volana febroary ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, ary amin’ny faramparan’ny volana mey ny famaranana tanteraka. Hatramin’izao, tsy mbola manana volavolana tetiandro voafaritra hanatanterahana fifidianana ny Ceni. Na izany aza, notsiahivina fa tsy azo tanterahina ao anatin’ny fotoan’ny orana ny fifidianana. Noho izany, raha ny fifidianana ben’ny Tanàna no heverina hatao mialoha, satria tapitra amin’ny volana janoary ho avy izao ny fe-potoam-piasan’izy ireo: any ankoatra ny volana marsa na avrily any izany. Aorian’izay ny fifidianana solombavambahoaka.
R. Nd.




