Tanterahina eny amin’ny Flow Gallery Ivandry, nanomboka ny 25 novambra 2023 hatramin’ny 29 febroary 2024, ny fampirantiana «Le crépuscule des promesses éternelles », an’i Joel Andrianomearisoa. Mpahay kanto manana ny lazany eo amin’izao tontolo izao ity manao seho ranty ity. Araka ny nambarany, eto Antananarivo no anehoana voalohany ity fampirantiana ity mialoha ny hanehoana azy any […]
Other News
Tontolon’ny hira: nodimandry i Jacques le Contrebassiste
Nindaosin’ny fahafatesana ny alatsinainy 27 novambra teo Rasoloniaina Jacques, fantatra tamin’ny solon’anarana « Jacques le Contrebassiste », teo amin’ny maha mpanakanto azy. Ny fitendrena io zavamaneno « contrebasse » io no nametraka azy teo amin’ny toeran’ny andrarezin’ny hira malagasy. « Hafa mihitsy rehefa ny hira no asian’i Jacques, contrebasse », hoy ny mpitia zavakanto sy ny […]
Nisongadina tamin’ny talentany : nodimandry i Cheffe Mariette, mpitahiry ny hainahandro fahiny
Raha vao hoe haify sy hainahandro malagasy, voatonona avy hatrany ny anaran’ny Cheffe Mariette Andrianjaka. Nahalala azy sy ny talentany avokoa, hatrany ivelany. Lasa namonjy an’i Ludger Andrianjaka ity vadiny ity… Vaovao ratsy hatrany… Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Cheffe Mariette Andrianjaka. Andrarezina teo amin’ny tontolon’ny haify sy ny […]
Fanafihana nifanesy tao Toamasina: votsotra avokoa ireo voampanga voasambotra
Anisan’ny raharaha narahin’ny mpanara-baovao maro tany Toamasina ny trangana vono olona tao Tanamakoa. Teo koa ny fandrobana moto nifanesy tany an-toerana, teo anelanelan’ny faran’ny taona 2022 hatramin’ny volana jona 2023 lasa teo. Nisy ny voasambotra sy nahatrarana fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy, ireo jiolahy nandritra izany, vokatry ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Vondron’ny kandidà 11, omaly, teny Ankorondrano. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, tombanana ho ny momba ny fitsipahan’izy ireo ny voka-pifidianana sy ny tohin’ny tolona ny votoatin’ny fifanatrehana. Nanatitra taratasy fitsipahana ny fifidianana teo iny, teny amin’ny HCC, ireo Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana […]






