Hiandry ny fitsarana azy amin’ny herintaona. Notsiahivin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ity fa nentina tetsy amin’ny fampanoavana Anosy, afakomaly, izy roa lahy ireo noho ny fiampangana amin’ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanakorontanana mialoha iny fifidianana filoham-pirenena iny. “Eo koa ny fitarihana hitarika andiana miaramila hikomy”, hoy ihany ny Tonia […]
Other News
Tsikalankalam-pihavanana
Raha manaraka ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fitaovana fampitam-baovao mahazatra dia mihorona andro aman’alina ny hodi-doha. Mahavalaketraka ny mijery sy miaina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hita ny hisokajiana ilay andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Tena mirona tanteraka any amin’ny gaboraraka sy fanaovana izay danin’ny kibony. Maloto tanteraka ara-bakiteny sy […]
Valim-pifidianana : havoakan’ny HCC ny zoma izao ny vokatra ofisialy
Enina andro taorian’ny an’ny Ceni, hamoaka ny valim-pifidianana ny avy amin’ny HCC. Manana hatramin’ny 4 desambra izy ireo, raha ny voafaritry ny lalàna, saingy ny voalohan’ny desambra izao no nambarany hamoahana izany. Hotanterahina ny zoma 1 desambra 2023 izao, eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena Ambohidahy, ny lanonana […]
Fanolanana ankizy T5 : naiditra am-ponja ilay lahiantitra 88 taona
Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja vonjimaika, ao Miarinarivo ilay lahiantitra 88 taona nanararaotra ara-nofo ankizivavy 13 taona, kilasy T5 tao amin’ny fokontany Befaritra, kaominina Soavinandriana, distrikan’ i Soavinandriana, faritra Itasy. Norebireben’io lehilahy io ilay zaza vao 13 taona rehefa niditra tao an-tranony izay tsy nifanalavitra amin’ny sekoly. Notambazany homena vola […]
TSELATRA
Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny raim-pianakaviana iray, naratra mafy tao Ampasimbe Manantsatrana. Notapahim-badiny tamin’ny antsy ny filahiam-drangahy raha iny variana natory iny izy. Niongotra mihitsy izany. Disadisa ara-pitiavana teo amin’izy mivady no nahatonga izao ratra nahazo azy izao. Fitadiavana rano mavesatra «Mercure» no mampirongatra ny fanapahan-doha ao […]






