Nanambara ny kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, (CAF) ny zoma lasa teo, tany Egypta, fa nahitsy ho 27 ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024) fa tsy 23 toy ny teo aloha. Zava-baovao amin’ity fifaninanana ity izany fanapahan-kevitra noraisina […]
Other News
AJS Mada Tsiadana : misarika ny ankizy hitia fanatanjahantena
Feno dimy taona ny sekoly rugby, Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada eny Tsiadana. Miezaka mitaiza sy mamolavola ny ankizy sy ny tanora hitia fanatanjahantena izy ireo. Hotontosaina ny alahady 24 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des Jeunes Sportifs […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina mandritra ny efatr’andro ny fampiofanana fandrafetana ny drafi-pitantanana “Business plan”. Resahina mandritra izany ny fampiofanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera, ny talem-paritra samihafa, ireo mpiompy trondro, ireo Banky sy ny fampindramam-bola madinika mahakasika ny rindrambaiko UTIDA. Nahazo milina hanodinana voasary makirana ny distrikan’i Manandriana. Nahazo ny anjarany ihany koa […]
Irondro-Manakara: vita godirao ny lalana RN12A
Vita ny lalam-pirenena eo Irondro (sampanana RN 25) mankany Manakara, ny RN12A. Narenina natao godirao tanteraka ity lalana mirefy 118 km ity, taorian’ny rivodoza nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona teo. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no nanaovana azy, ao anatin’ny Tahirimbola ho an’ny asa vonjy taitra. Nisy tetezana mirefy 102 metatra […]
ENEM Mahajanga : hampitomboina ny Malagasy tantsambo
Tafiditra ao anatin’ny vina apetraky ny Ecole nationale d’enseignement maritime (ENEM) ao Mahajanga, ny fampitomboana ny Malagasy tantsambo miofana eo anivon’ny sekoly. Noho izany, hampitomboina avo folo heny farafahakeliny ireo Malagasy hiofana eo anivon’ity sekoly ity. Fanamby apetraky ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hametraka sekoly mpampiofana […]







