Other News

Fampandrosoana : vonona hanohana an’ i Madagasikara ny BAD

Hiara-hiasa akaiky amin’i Madagasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa entina hampandroso ny firenena. «Hanohana ireo tetikasa fampandrosoana eto Mada­gasikara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD)», hoy ny filohany, i Adesina Akinwumi. Hojerena manokana ireo tetikasa mom­ba ny fambolena, ny angovo, ny fiarovana ny tontolo […]

Pr Rasamoelina Henri : « 9%-n’i Madagasikara sisa no misy ala »

Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana, indrindra ho an’ny olombelona ny faharipahan’ny ala. Anisan’ny iharan’ izany fahasimbana sy fahapotehina izany ny ala eto Ma­da­gasikara. “Tsikaritra mivantana izany fihenan’ny ala izany, raha vao mandeha lalam-pirenena fotsiny, indrindra rehefa mandeha fiaramanidina. Ary na ny ala atsinanana aza ho ritra”, hoy ny profesora […]

Razanamahasoa Christine: “Manaja ny soatoavina repoblikanina aho”

Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanama­hasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny […]

Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fi­tsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy mi­dika izany fa tsy ilaina […]