Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR.

“Tsy hisy mihitsy ny fi­tsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy mi­dika izany fa tsy ilaina na ailika izy ireny. Zanak’Andriamanitra ka raisina raha mila ny fahasoavany. Tsy isika no mitsara azy ireo”, hoy ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin teny Andohalo, omaly. Nan­teriny fa maniraka ireo ray am-panahy handray ny sokajin’ olona rehetra hitantana ara-panahy, araka ny trangan’ny olona tsirairay, ny papa Fran­soa. Tsy misy fomba na litorjia na fanao manokana ny fandraisana ireny olona ireny. Fitantanana ara-panahy no tanterahina raha mila izany na mangetaheta ny famindram-pon’Andriamanitra izy ireny.
Momba ny fitsofan-drano kosa, nanteriny fa efa fanao ho an’ny mpino rehetra zanak’ Andriamanitra izany saingy aza disoina fa tsy misy fitsofan-drano ireo mitovy fananahana ny lahatsoratra nivoaka, araka ny nambarany. “Tsy ny fiarahana no tsofin-drano eto fa ilay olona manana fironana hiaraka amin’ny mitovy taovam-pananahana aminy… Mila ny famindram-pon’Andriama­nitra avokoa ny rehetra ka ezahin’ny Ekar ny hahama­totra ny fifandraisana amin’ An­driamanitra”, hoy izy. Ny fandraisana tsodrano koa mitaky finoana fa ho voarainy amin’ny alalan’ny fiangonana ny fahasoavana.

lahy sy vavy

Nohazavainy koa fa sakramenta ny mariazy, izay mifototra ny maha lahy sy maha vavy. Tsy azo ovaina ny fitsipika. Tsy misy miova ny fotoam-pampianaran’ny Ekar, indrindra ny mariazy, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, tsy miova ny fampianaran’ny fiangonana sy ny foto-pinoana fa sambany kosa ny nanambaran’ny papa Fransoa ampahibemaso izany. “Manana foto-kevitra sy fitsi­pika hitantanana ny zanak’ Andriamanitra amin’ ny lalana hizorana hahazoana ny fahamasinana ny Ekar… Anjaran’ ny fiangonana ny mitantana ireny sokajin’olona ireny…”, hoy ny mompera Rafanome­zantsoa Seraphin, namarana ny resaka.

Synèse R.

Partager sur: