Hifarana rahampitso, eny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifaninanana “Orange Challenge U-17 2023”, taranja baolina kitra. Hihaona eo amin’ny lalao famaranana amin’ity fifanintsanana ity, ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, izay notontosaina ny alahady 19 novambra lasa teo, teny an-toerana ihany. Lavon’ny AS Jet […]
Other News
“Road to BAL”-Elite 16 : vonona handresy ny Cape Town Tigers ny Cospn
Hotontosaina anio, ao Johannesburg Afrika Atsimo, ny dingana manasa-dalana amin’ny “Elite 16”, lalao fifanintsanan’ny “Road to BAL” 2024, ho an’ny faritra Atsinanana. Hifandona amin’ny Cape Town Tigers ny Cospn Madagasikara. Ekipa tompon-tanàna ity hihaona amin’i Madagasikara, amin’ny manasa-dalana anio ity, amin’ny 6 ora hariva, ora eto an-toerana. Na izany aza, maneho […]
VAOVAO TAMBATRA
Nigadona any Nosy Be, omaly, ny sambo vaventy Aida, mpitondra mpizahatany miisa 2 200. Sambo fahefatra tonga any an-toerana izy ity, anisan’ ny mampandroso ny fizahantany eto amintsika. Sady mampiroborobo ny toekarena any Nosy Be, toy ny varotra sy ny tolotra samihafa ny fahatongavany. Natao tany Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly, […]
Tahan’ny harinkarena faobe : vinavinaina hiakatra 4,5% amin’ny taona 2024
Andrasana hiakatra 4,5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny taona ho avy izao, araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha-023/2023, momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2024. Voatonona ao anatin’izany ny fitomboan’ny ny harinkarena faobe ho an’ ireo sokajy seha-pihariana rehetra. Andrasana hiakatra 4,4% ny sokajy voalohany, […]
Jono : mikatona ny fanjonoana makamba
Hikatona manomboka ny 1 desambra misasakalina hatramin’ny 29 febroary 2024, misasakalina manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny fanjonoana makamba. Mila manao fanambarana ananany ny datin’ny 30 novambra izao, farafahatarany ny 8 desambra eny amin’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy indrindra ireo orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra, ny toeram-pivarotana […]






