Tsy mitsaha-miitatra ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Mila manaraka an’izay fironana izay koa ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Anisan’ny ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Jirama laharam-pahamehana ny fametrahana jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Hanatanterahina izany ny tetikasa «Hazavao […]
Other News
Rija Rajaonah : « Mila hajaina ny safidim-bahoaka »
“Mila hajaina ny safidim-bahoaka”, hoy i Rija Rajaonah, anisan’ny mpitarika ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRK) ao Avaradrano, omaly. Manoloana ny fivoahan’ny voka-pifidianana anio, tsy ilaina intsony ny fanoherana mifototra amin’ny fitadiavan-tseza. “Ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fari-piainan’ny Malagasy mpiara-belona no imasoana izao”, hoy izy. Raha ny […]
Zotram-pifidianana : fitoriana roa no voarain’ny HCC
Efa misy fitoriana roa avy amina kandidà voarain’ny eto anivon’ny HCC, hatramin’ny omaly, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Karazana roa ny fifanolanana momba ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo ny amin’ny zotram-pifidianana amin’izay tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra na ny androm-pifidianana […]
Ankadikely Ilafy : tantsaha 52 hanatsara ny fambolem-bary
Nisitraka zezika manaraka ny fenitra hanatsarana ny fambolena amin’ny ankapobeny ny mpamboly 52 avy ao amin’ny fokontany enina, anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. “Efa nisitraka fampiofanana manokana ireo tantsaha ary nisy ny sivana nahafahan’izy ireo nisitrika izao tosika hanatsarana ny fambolena izao”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàn’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. […]
Fandalovan’ny sambo INS Sharda : nahazo fitsaboana maimaimpoana ny mponina ao Antsiranana
Toy ny fanaon’ireo sambo mpiady Indianina manefa iraka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny sambo mpiady INS Sharda, ny 17 hatramin’ny 20 novambra 2023 lasa teo. Misy hatrany ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fandalovan’izy ireo toy izao satria mandritra ny fiantsonan’ireo mpitsabo ao anatin’izany sambo izany […]






