Other News

Fifantenana ireo ho mpiara-miasa : miantso ny filoha Rajoelina ho mailo ny RPSD

Nanao fanambarana ny antoko RPSD, tarihin’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain. Niantso ny filoha Rajoelina Andry mba ho malina amin’ny fanendrena ny mpiara-miasa izy. “Aoka mba hojerena tsara ireo ho mpiara-miasa amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hiainga amin’ny tolotra omen’ireo depiote na loholona na koa ireo […]

INDRAY MIJERY

Fadio ny mampiasa akora simba sy efa lany daty rehefa mikarakara sakafo. Arovy amin’ny vovoka sy hafanana ny sakafo mora simba toy ny hazandrano sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny maionezy. Mampiasa vitrine madio sy misarona tsara. Raisina amin’ ny sotro rovitra na pince ny sakafo fa […]

TARATRY ny KANTO

“Ndao hifety” – Tyfu Amboditsiry. “Men’s Night Show”, hisongadinan’ireo lehilahy mpanatalenta mazava loatra, ity hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Hiray tsikombakomba mba hampiavaka izany i Fidy Dibl, Rado Manantsoa ary i Poon eo amin’ny feo, hampian-dry Fy Rajaofetra (vata maroafi­tsoka), Houzefa (gitara beso) ary i Bolo Rakoto […]

« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana

Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra […]

Tahirizina any Paris: mizotra ny dingana fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Karandoha telo no voalaza fa an’ny Malagasy, haranty ao amin’ny « Musée de l’Homme » ao Paris. Ny voalohany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Ireo roa hafa kosa an’ny mpitari-tafiny, izay samy hangatahana hampodiana avokoa. Teny amin’ny Rovan’i Mada­gasikara no nampanantena ny filoha Rajoe­lina fa tsy maintsy hampodiana eto ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Karandohan’ity mpanjakan’ny […]