Nanao fanambarana ny antoko RPSD, tarihin’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain. Niantso ny filoha Rajoelina Andry mba ho malina amin’ny fanendrena ny mpiara-miasa izy.
“Aoka mba hojerena tsara ireo ho mpiara-miasa amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hiainga amin’ny tolotra omen’ireo depiote na loholona na koa ireo mpitantana eny ifotony izay ho mpikambana eo anivon’ny governemanta izay. Manakaiky vahoaka ary mahalala ny olana izy ireny, araka ny nambarany. Nohitsiny koa fa tsy tokony hiseho intsony koa ny fanendrena ny filohan’antoko ho minisitra hisorohana ny kiantranoantrano. “Ireo tsara fitondrantena sy manana traikefa ary afaka miara-mihosona amin’ny vahoaka eny ifotony no tendrena amin’ny toeran’ny minisitra”, hoy ny RPSD.
Notsindriny fa ho tanteraka ny teny filamatra “I Madagasikara tsy maintsy mandroso” raha milamina ny toekarena ary mipetraka ny fifampitokisan’ny mpitondra sy ny vahoaka. Eo koa ny fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka.
Etsy andaniny, notsiahivina fa mankato ny didy navoakan’ny HCC amin’ny nahavoafidy indray ny filoha Rajaoelina Andry ny RPSD.
Ankoatra izany, nanamafy ny antso nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny RSPD ny amin’ny hifanomezana tanana, indrindra ireo mpiara-mitolona tamin’ny taona 2009 mba hiaraka hanarina ny tsy nety teo aloha na koa ny lesoka.
Synèse R.




