Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo. Nitondra fanazavana tamin’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo […]
Other News
Taxi-be nifanenjika: nifampisokirina ilay lehilahy voadona
Nanao ny ataony indray ny mpitondra taxi-be teny Alarobia-Ivandry, omaly maraina. Vaky loha sy tapa-tongotra vokatry ny fifanenjehan’ny taxi-be 180 miisa roa ny lehilahy iray izay manana olana tsy afa-mandeha fa mipetraka ambony seza atosi-tanana. “Efa saika nandona polisy teo Tsarasaotra io taxi-be io kinanjo izao nifaoka olona izao”, hoy […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Nitondra fiara tsy mataho-dalana io ramatoa io kinanjo nifatratra tampoka tany an-tanimbary ny fiara nentiny. Tsy nisy aina nafoy. Maty an-drano tany amin’ny fokontany Kaolinina, Farafangana, ny tovolahy iray 23 taona, ny 18 novambra lasa teo. Nilomano niaraka […]
Trafikana sokatra: lehilahy iray voasambotra
Lehilahy mpanao trafikana sokatra saron’ny zandarimaria tao Ejeda, faritra Atsimo Andrefana, ny 16 novambra teo. Nitondra karazan-tsokatra «sokake» miisa 16 io lehilahy io. Manana mpiasa telo lahy hafa izy saingy nitsoaka nandositra ireo namany ireo rehefa tonga nanao ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana. Nogiazana ary natolotra ny sampan-draharaha manokana […]
Andohanimandroseza: Dimy lahy maty voatifitra
Dimy lahy maty voatifitry ny zandary teny Andohanimandroseza, omaly atoandro. Voalaza fa jiolahy saika hanafika Villa izy ireo. Basy dimy tratra niaraka tamin’izy ireo. Maty rotidrotiky ny bala ireo dimy lahy izay nolazain’ny zandary fa jiolahy nandritra ny fifampitifirana teny Amparihikely, Tanambao Andohanimandroseza (akaikin’ny masoivohon’i Norvège), omaly tamin’ny 11 ora […]






