Hamboarina ny tetezamby (pont Bailey) eo amin’ny PK 10+100 any amin’ny lalam-pirenena RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Haharitra 15 andro ny asa ka voatery tsy maintsy haato ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, noho izany, manomboka anio 22 hatramin’ny alakamisy 7 desambra 2023. Manamarika ny minisiteran’ny Asa vaventy fa […]
Other News
Fambolena : ampanarahana ny vanim-potoana ny famokarana
Napetraka ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mahakasika ny fambolena (SNVCA). Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana. Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny sehatry ny fambolena. Manana ny lanjany amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manoloana izany, atao eto Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa mikasika ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mikasika […]
TARATRY ny KANTO
Manampy amin’ny fivelarana talenta maro ny tambajotran-tserasera tahaka ny facebook . Tsy mijanona eo amin’ny fampahafantarana nefa fa mitohy hatrany amin’ny tsikera. Io no mila fitandremana, mety hiafara amin’ny fandevenan-talenta izany. Mijanona tsy manoratra, na vao mainka mamoaka hira manivaiva ny soatoavina ireo mpamorona tsy mahatanty tsikera, satria, mby ao an-tsainy […]
Tranomboky monisipaly : mitohy ny fampiroboroboana ny haikanto
Mitohy eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, anio tolakandro, ny hetsika “Let’s read”, ao anatin’ny Diary Nofy, andiany faharoa. Haikanto mitondra anatra sy fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy no tena mahazo sehatra ao anatin’ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny famerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana ny ankizy. Eo ihany koa […]
Atrikasa Hay : lohahevitry ny hetsika ny fanenomana
Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny famaranana ny atrikasa Hay, ho an’ity volana novambra ity. Raha tsiahivina, fanenomana amin’ny alalan’ny tanana no nozaraina nandritra izany. Haneho ny fahaizana azony tao anatin’ny atrikasa ny mpandray anjara anio. Anisan’ny mampiavaka ity ivontoerana eny Ambatomena ity ny fanomezana lanja manokana ny […]






