Other News

Sinoa very vola 170 tapitrisa Ar : Roa lahy voaheloka mandra-pahafaty ao Toamasina

Voaheloka mandra-pahafatiny sy namoahana didy fampisamborana Randriambelonony sy Tangamanana Berthin. Io ny didy navoakan’ny fitsarana ao Toamasina, omaly. Hentitra ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, hamaranana ny taom-pitsarana taona 2023. Niaka-tsehatra teo anatrehan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-50-Toa/22-944-RP/21, izay hanenjehan’ny fitsarana […]

INDRAY MIJERY

Nanao sonia ny « mémorandum » momba ny hitohizan’ny tetikasa « TaFiTa » andiany fahatelo ny JICA sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Faritra 13 hatramin’ny 15 no hanatanterahana io tetikasa io, amin’ny andiany fahatelo. Hotohizana ny fanatsarana ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny « approche Kamishibai ». Nandray anjara tamin’ny fifaninanana horonantsary […]

Tsiahin’ny tantara: nivoaka ny boky momba ny “Mey 1972”

Namoaka boky vaovao Ra­soloniaina Brigitte. No­tan­terahina tany Paris, ny 12 desambra teo, ny fampisehoana tamin’ny fomba ofisialy ny boky momban’ny mey 1972. Mitondra ny lohateny “Mada­gascar Mai 1972” izy io. Mi­ompana amin’ny “Regards et perspectives historiques et socio langagières”, ahitana pejy miisa 288 ary navoakan’ny Hemisphères Editions izany. Nitantana kosa […]

Fitakian’ny CSI : “Aoka hafainganina ny fanaovana taratasim-panjakana”

Tafiditra amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fitakian’ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitondra sosokevitra sy nanao tatitra amin’ny alalan’ny vahaolana izy ireo. Nisongadina tamin’ny famoahan’ity rafitra ity izany tatitra izany fa mbola olana goavana sy sakana lehibe amin’ny fampandrosoana […]

Fanapahan’ny filankevitry ny minisitra : novana hisoroka krizy sy ny korontana ny CFM

Nasiam-panovana tsy ho toy ny teo aloha. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny hampihenana ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). “Anisan’ny hifantohan’ny andraikitr’ity rafitra ity manomboka izao ny fisorohana ny korontana sy ny krizy eto amin’ny firenena”, hoy ny tatitra. Niompana amin’ny fampihavanana no […]