Nasiam-panovana tsy ho toy ny teo aloha. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny hampihenana ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM).
“Anisan’ny hifantohan’ny andraikitr’ity rafitra ity manomboka izao ny fisorohana ny korontana sy ny krizy eto amin’ny firenena”, hoy ny tatitra. Niompana amin’ny fampihavanana no andraikitra tena nosahanin’ity rafitra ity teo aloha.
Nesorina kosa ny governoran’ny faritra Betsiboka. Ahina ho voarohirohy amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena tany an-toerana ny tenany ary efa tazonina am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao. Nesorina amin’ny toerany koa ny sefo distrikan’Ankazobe. Tombanana ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra Vonizongo iny. Maromaro koa ireo tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sasany any an-toerana nafindra toerana.
Tetikasa ho an’ireo mponina tena sahirana
Etsy andaniny, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny tolo-bidy naroson’ireo orinasa momba ny asa fanajariana fotodrafitrasa madinika sy fanatsarana endrika ireo kartie. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanatsarana ny toeram-ponenana, ao anatin’ny tetibola 2023 izany. Eo ny fanamboarana lalankely sy rarivato ary lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny maro hafa. “Natao indrindra mba hanamorana ny fivezivezen’ny mponina ary koa hanovana ny endrik’ireo fokontany maromaro eto Antananarivo. Anisan’ny hisitraka izany ny mponina tena sahirana”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Synèse R.




