Tsiahin’ny tantara: nivoaka ny boky momba ny “Mey 1972”

Namoaka boky vaovao Ra­soloniaina Brigitte. No­tan­terahina tany Paris, ny 12 desambra teo, ny fampisehoana tamin’ny fomba ofisialy ny boky momban’ny mey 1972. Mitondra ny lohateny “Mada­gascar Mai 1972” izy io. Mi­ompana amin’ny “Regards et perspectives historiques et socio langagières”, ahitana pejy miisa 288 ary navoakan’ny Hemisphères Editions izany. Nitantana kosa Raso­lo­niaina Brigitte, profesoran’ny Inalco. Misongadina ao anatin’izany ny jery todika sy ny fanadihadiana ireo vina tamin’ny tolom-bahoaka, 51 taona aty aoriana. Nifarimbona nanao ny tamberina tamin’izany ny avy amin’ny sehatra maro, toy ny mpikaroka tantara, mpampianatra teny, mpikaroka fiarahamonina, mpanao gazety, mpandalina politika ary mpikirakira hira.

Mba ho takatry ny fahefa-mividy

Anisan’izany ny Pr Ran­drianja Solofo, Pr Françoise Raison, Pr Noël Guenier, Ram­belo Michel, Rabenoro Irène, Raveloson Constant. Manampy izany Rabekoto Honoré (Bekoto ao amin’ny tarika Mahaleo ) nandalina ny hira “Lendrema”, ary i Dadou Rakotomalala tamin’ny seho ara-tantara (film documentaire) maneho an’i Manandafy Rakotonirina. Ity farany izay mpitarika ny MFM, nodimandry tamin’ny 2019 ary anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika Mey 1972.
Araka izany, andrasana ny hahatongavan’io boky io eto an-tanindrazana. Irarina koa anefa mba ho takitry ny fahefa-mividin’ny mpiray tanindrazana.

Synèse R.

Partager sur: