Hanomboka anio ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Lalao voalohany ho an’i Madagasikara ny fifanandrinany amin’i Ghana. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Baba Yara Kumasi Ghana, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Ghana, taranja baolina kitra. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona omaly alina, tany Maorisy, ireo Malagasy mpikatroka, taranja Jiu-Jitsu, hiatrika ny “Open d’Afrique”, hatao rahampitso 18 novambra. Miisa 19 mianadahy izy ireo, ka 6 vehivavy. Sokajy Juniors, Adultes ary Masters no hifaninana mandritra izany. Hotontosaina manomboka anio ary hitohy hatramin’ny 19 novambra, ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja […]
INDRAY MIJERY
Nofanina momba ny fitantanana sy fikojakojana fitaovana fitsaboana ireo teknisianina mpiasan’ny fahasalamana. Fiaraha-miasa tamin’ny Jica ary notanterahin’ny Air Water East Japan Medisun no nahafahana nanao ny fampiofanana tany Japon. Mikendry manokana ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiofana hahay mikojakoja ireo fitaovana izay ampiasaina eny anivon’ny hopitaly ho fitandroana ny ain’ireo marary. […]
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Revy gitara. Hifarimbona indray ry Tolotra, Ony, Nary, Bim ary Eric Rason, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mazava loatra fa hanjaka ny revy gitara, ary hibahana bebe kokoa ny sanganasan’ny tarika Mahaleo rehefa ry zalahy ireto no tafaraka. Eo ihany koa anefa ireo hirana […]
Diary Nofy « Let’s read »: hamelona ny fitiavana vaky boky no tanjona
Notanterahina teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny alarobia lasa teo, ny fanombohana ny atrikasa Angano sy Vaky boky, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Tetikasa izay manana tanjona ny hisarika ny ankizy ho tia vaky boky sy hamerina ny hasin’ny boky ary hanomezana sehatra ireo asa soratry ny mpahay kanto. […]






