“Hajaintsika ny safidin’ny tsirairay, fa tokony ho hentitra tsara isika. Mba hiaina izany demokrasia izany, fa tsy fitadiavana tombontsoa sy fitiavan-tena no iainantsika ny fampandrosoana an’i Madagasikara.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny latsa-batony teny Ankorondrano, omaly. Zava-dehibe eo amin’ny tantaram-pirenentsika ny fifidianana, fa tao anatin’ny dimy taona izao, […]
Other News
Ben’ny Tanàna, A. Naina: “Adidy masina ny fifidianana”
“Adidy masina ny fifidianana filoham-pirenena tahaka izao ka tonga izahay mianakavy, haneho ny safidinay”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanefa ny adidiny amin’ny fifidianana teny amin’ny EPP Analamihitsy tanana, ny tenany sy ny vadiny. Nambarany tamin’izany fa milamina ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary milamina tahaka izany […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Matoky ny fahamatoran’ny vahoaka aho”
Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny latsa-bato nataony teny Ambatobe. Nambarany tamin’izany ny momba ny fahitany ny fizotran’ny fifidianana. “Matoky ny fahamatoran’ny demokrasia malagasy aho, ary matoky ny safidin’ny vahoaka”, hoy ny kandidà lah. 3, Rajoelina Andry, taorian’ny latsa-batony teny Ambatobe, omaly. Misy hatrany […]
Masoivohon’i Etazonia : hanaraka ny toe-draharaha
Namoaka fanambarana tao amin’ny “Facebook” ny masoivohon’i Etazonia sy ny sehatra iraisam-pirenena, omaly. Mifantoka amin’ny fifidianana izy ireo ary nahita fa nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny andron’ny fifidianana ary tsy nisy tatitra tranga momba ny herisetra, omaly. Vonona hatrany ny hanohana ny finiavan’ny vahoaka hisitraka ny zon’izy ireo handray anjara […]
Fifidianana : nizotra am-pilaminana na teo aza ny indrokely
Nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina, omaly, manerana ny Nosy. Voahaja avokoa ireo fepetra samihafa sy ny rindran-damina napetraky ny Ceni. Na izany aza, nisehoana olana madinika ihany ny Birao fandatsaham-bato (BV) sasany nefa tsy nanakana ny fizotry ny fifidianana izany amin’ny ankapobeny. Anisan’izany ny tranga tao Toamasina na […]






