Other News

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ireo mpikambana eo anivon’ny Komity mpitantana ny tetikasa fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony (Fafy) ny fandaharanasa ho an’ny taona 2024. Laharam-pahamehana amin’ny lahasa ny fanamafisana ny serasera ho an’ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina, handresena lahatra ny olona hanatona tobim-pahasalamana. 18 andro sisa dia higadona ny fetin’ny krismasy. Efa miravaka avokoa ireo tranombarotra […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Efa minisitry ny fiarovana, fony fitondrana Ratsiraka ary minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’ny fitondrana Ravalo­manana izy. Niarahaba ny fahavitan’ny fifidianana ny Japoney, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Maki Kobayashi. Nizotra tamim-pilaminana izany […]

Fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimiera : Depiote 74 amin’ireo 132 no nifidy an-dRaholdina Naivo

Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antana­narivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Rahol­dina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidi­manana Narson. Na­hazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany […]

Tsy misy voaozona

  Mijaly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Mitotongana ny vola Malagasy, ny Ariary, mitaha amin’ny vola vahiny. Mitakalo 5000 Ariary latsaka kely ny euro iray. Mazava be ny dikan’izany: tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana ! Mizaka ny vokany ny sarambabem-bahoaka sy ny mpikarama isam-bolana izay mikarama vary masaka. […]

Andry Rajoelina : «Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny vahoaka madinika»

Tsy niandry ela, niasa sy nitsidika ny vahoaka sahady ny filoha Andry Rajoelina, andro vitsy taorian’ny namoahana ny voka-pifidianana. “Tsy maintsy hiasa ho an’ny vahoaka” hoy izy, tanatin’izany fidinana ifotony nataony izany. Tontosa omaly, teny amin’ny kianja ANS Ampe­filoha, ny fizarana ny “Hazavana ho anao”, jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro […]