Miseholany etsy sy eroa indray ireo misora-tena ho tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Misy ny vondrona izay mipoitra ho mpampihavana tampoka izany. Misy ny milaza ho raiamandreny rehefa tsy hita popoka ny mpitondra fivavahana, izay natao an-tampon’ny loha teo aloha. Ny vazaha rahateo efa nanambara mazava fa […]
Other News
Kandidà Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka no ho tanterahina »
Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Tao anatin’izany no nanaovany fanamby ny amin’ny fanaovana sy fanohizana ny fotodrafitrasa efa natomboka ho famaliana ny filàn’ny vahoaka. Ny vahoakan’ny distrikan’i Mandritsara, Befandrina Avaratra, Mananara Avaratra ary Sambava indray no nitafa tamin’ny kandidà laharana fahatelo, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony omaly. Ny […]
Ankadikely Ilafy : mpivady niara-naiditra am-ponja
Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa […]
TSELATRA
Niharan-doza ny taksiborosy nitondra ireo zandary 13 lahy mpiana-draharaha avy ao amin’ny andiany faha-77 tao Malaimbandy, omaly. Vaky kodiarana ny fiara ka nivadibadika. Zandary efatra naratra. Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-baovao mihazo an’Ivato, afakomaly alina. Mpitondra moto io lehilahy io . Nifandona tampoka tamin’ny […]
Voadaroka sy voaolana : fito mianadahy natakalo 7 000 000 Ar
Sivy andro notazomina an-keriny vao navotsotra izy fito mianadahy. Tompon’antoka tamin’izany ny 25 lahy nitondra Kalach 4 sy Mas 36 roa. Nandoa 7 000 000 Ar ny fianakaviana. Mahazo vahana ny fakana an-keriny any am-banivohitra Anjozorobe sy any amin’ny faritra Vonizongo. Fito mianadahy no avotra soa aman-tsara afakomaly, rehefa nandoa […]






