Other News

Adihevitry ny kandidà : nahemotry ny Ceni ny fifanatrehana

Nahemotra amin’ny 13 novambra ny adihevitry ny kandidà saika ho natao halina, tao amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana TVM/RNM. Tokony ho nifanatrehan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Randrianasoloniaiko Siteny ary Raderanirina Sendrison izany. Tsy raikitra tamin’ny ora farany ary nahemotra. Tokony ho notanterahina, omaly halina tamin’ny 8 ora, ny adihevitra […]

Vonoan’olona feno habibiana: mpanangom-bokatra hita faty tao anaty kirihitr’ala

Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tao Maladialina Antsahapolisy, ka­o­minina Bevonotra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Mpa­nan­gom-bokatra misehatra amina lavanila ity niharam-boina ity. Nihosindra izy ka ireo ra niparitaka tamin’ny lalana no nahataitra ireo mpandalo tany an-toerana. Narahin’ny olona ilay ra niparitaka ka nifarana tao anaty kirihitr’ala […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika ny dimy ta­min’ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny dimy hafa raha nosokajiana ho vavolombelona ny olona iray tsy ampy taona. Raha tsy misy kosa ny fiovana, ny 9 novambra 2023 ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo. […]

Lasa ny vola tamin’ny sakaosy: mpanao Cash point voatifitra ny feny roa

Indroa nipoaka ny basy tetsy Andoharano, Tsimbazaza, omaly. Raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray handeha hamonjy ny toeram-piasany teny amin’ny fokontany Andoharano-Tsimbazaza, omaly maraina. Nandrasan’ny jiolahy roa lahy tsy nisy nisaron-tava teo amin’ny tohatohatra kely tsy lavitry ny tanàna izy. Notakin’ireo olon-dratsy […]