Other News

2è Grand Prix Karting : hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara

Hanakatona ny fifanina­nana ny eo anivon’ny Fede­ration sport automobile Mala­gasy (FSAM). Hamarana izany ny dingana farany amin’ny fi­faninanam-pirenena eo amin’ ny karting. Hotanterahina ny alahady 10 desambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerin­tsia­tosika ny “2è grand prix karting”, dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. […]

Rugby « Coupe de Mada 2023 » : hanalavela amin’ny FTM ny Cosfa

Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny alahady 10 desambra ho avy izao, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2023, taranja Rugby. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa Miaramila. Mbola manalavela amin’ny Dakar ny Bebaoty miaramila amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. […]

Fanomanan-tena: hidona amin’i Maroc sy i Mozambique ny Barea

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo. Tafiditra ao anatin’ny fa­nomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Mala­gasy, dia mety hisy lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique. Nanambara izany i Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, afakomaly. Raha tsy misy ny fiovana, […]

INDRAY MIJERY

Misy mpiray ombon’antoka azo ambara ho matihanina no tsy maharaka ny fivoaran’ny fiheverana ny fahasembanana, ka miteraka olana amin’ny fifehezana ny fampiatiana. Io ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Rakotondrazafy Falihery. Entanina ny mpiasan’ny fahasalamana hanao tomban’ezaka ny asa vita rehetra nandritra ny taona amin’ny sampana misy azy […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsirapo. Nisafidy ny Akany Fitahiantsoa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nanaovana “Tagnamaro”. Nanajary, nandoko, nanavao ny zaridaina sy nizara fanomezana ho an’ny ankizy ary fitaovana ho an’ny akany no natao nandritra izany. Nandramana ary nahomby. Fantatra fa hotohizana ny […]