Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe sy tsikera momba azy ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama fa efa vonona amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Notsiahiviny fa anisan’ny efa vita ny famaranana ny lisi-pifidianana ka maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy. Efa tonga ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasim-pifidianana. […]
Other News
TSELATRA
Naiditra am-ponja ilay lehilahy nanolana ankizivavy 5 taona tao amin’ny fokontany Ankosy, kaominina Merimanandroso, distrikan’Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo. Napetraky ny ray aman-dreniny tao amin’ny renibeny io zaza io. Nanararaotra anefa ilay lehilahy rehefa tsy teo tampoka koa io reniben’ilay ankizivavy io. Voasambotra ny nahavanon-doza ny 22 oktobra teo ka […]
Fatim-behivavy hita tao anaty gony: fantatra ny fasana nakan’ny mpangalatra ireo razana
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary momba ilay raharaha fahitana fatim-behivavy roa tanaty gony samihafa, ny sabotsy hariva 28 oktobra 2023, tao Ambararata, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, fantatra ny fasana nakan’ireo mpangalatra ireo razana ireo. Fasana tao Ambatolaza Ampataka, kaominina Mahatsinjo, an’ny fokonolona ao Ambatomilovoka no niavian’ ireo fatim-behivavy roa ireo. Voalaza […]
Anjozorobe : olona roa nalain’ ny jiolahy an-keriny
Jiolahy fito nirongo basy Kalachnikov sy Mass 36 nanao fanamiana miaramila no tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsevakely Atsimo, Marovazaha, Anjozorobe, ny alakamisy hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Naharitra adiny iray ny fanafihan’ireo jiolahy raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy nifandrenesana ny poa-basy […]
Ahina ny herisetra: manentana ny vahoaka ho tony ny EMMO-FAR
Mitaona ny vahoaka tsy handalo eny Analakely ny EMMO-FAR, anio. “Mety hisy hanapoaka grenady mahery vaika any anaty mpanao fihetsiketsehana ka aleo mitandrina”, hoy izy ireo Nanao fanambarana, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly tolakandro, ny avy amin’ny État-major mixte opérationnel de la province d’Antananarivo (Emmo-Far). «Natao izao fanambarana izao ho […]






