“Miantso an’izay resy tamin’ny fifidianana mba hahatsapa tena sy hanaja ny safidim-bahoaka. Fa ny feom-bahoaka dia feon’ Andriamanitra.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, teny Ambohidahy, omaly. Araka ny And. voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana, anisan’ny fototra iorenan’ny Repoblika ny demokrasia. […]
Other News
Rajoelina Andry : « Hafainganina ny fampandrosoana »
Nanambara ny fahavononany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mandritra io fitondrany manaraka io, Rajoelina Andry, filoha voafidy nandritra ny fifidianana farany teo. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny valin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, natao ny 16 novambra 2023. Nambara tamin’izany ny fandresen’ny kandidà laharana […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivorano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]
Fitoriana an-kira : seha-panabeazana ny Young Messenger Praise
Taona 2019, namoronan’ Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messenger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any anatin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa […]
Ankizy Mozika Festival : homena sehatra ny kilonga
Any amin’ny taninketsa no volavolaina. Antom-pisian’ny hetsika “Ankizy Mozika Festival”, izay karakarain’ny CGM/GZ io. Hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany fahatelo amin’ ity. Fanomezana sehatra ireo kilonga milofo amin’ny mozika izy ity, mba hanehoan’izy ireo ny talenta miampy izay norantoviny tsirairay […]







