Manohana ny famokarana ambanivohitra ny Banky iraisam-pirenena. Mampitombo ny fahavitrihan’ny mpamokatra ny fahitana lalam-barotra. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Pam. Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa hiatrehana ny lafiny […]
Other News
Filohan’ny HCC : “Aoka hohajaina ny safidim-bahoaka”
“Miantso an’izay resy tamin’ny fifidianana mba hahatsapa tena sy hanaja ny safidim-bahoaka. Fa ny feom-bahoaka dia feon’ Andriamanitra.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, teny Ambohidahy, omaly. Araka ny And. voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana, anisan’ny fototra iorenan’ny Repoblika ny demokrasia. […]
Rajoelina Andry : « Hafainganina ny fampandrosoana »
Nanambara ny fahavononany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mandritra io fitondrany manaraka io, Rajoelina Andry, filoha voafidy nandritra ny fifidianana farany teo. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny valin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, natao ny 16 novambra 2023. Nambara tamin’izany ny fandresen’ny kandidà laharana […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivorano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]
Fitoriana an-kira : seha-panabeazana ny Young Messenger Praise
Taona 2019, namoronan’ Andriamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messenger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any anatin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa […]







