Nahazo kamiao miisa dimy sy moto 50 ny Jirama, ao anatin’ilay tetikasa LEAD, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Entina hanatanterahana sy hanafainganana ny “fampidiran-jio mora” sy ny fampidiran-jiro mahazatra efa nahaloa sarany (dévis) ireo fitaovam-pitaterana ireo. Hanomboka amin’ny 15 desambra 2023 ny fanavaozana ny karatra ho an’ny mpanangom-bokatra an-dranomamy sy an-dranomasina […]
Other News
Nosy Be : fiaraha-miasan’ny ORTNB sy ny Telma
Natao sonia omaly, tany Nosy Be, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Telma sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Tafapetraka any Nosy Be ny tambajotra internety matanjaka Telma. Miara-miasa amin’ny (ORTNB) ny Telma amin’izany entina hampiroboroboana ity sehatra ity, ka mila tambajotram-pifandraisan-davitra manana kalitao ambony any amin’ireo toerana be […]
Antenimierampirenena : lany tsy nisy nitsipaka ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2024
Nolanian’ny solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2024. Lany tsy nasiam-panovana, tsy nasiam-panitsiana ary tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, omaly, ny volavolan-dalàna laharana faha.023/2023 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ho an’ny taona 2024 (LFI). Lany tsy […]
INDRAY MIJERY
Nanaovana andrana tao amin’ny distrikan’ Ifanadiana sy Soavinandriana ny pilina misy singam-pamelomana, ahitana vitamina 10 sy mineraly dimy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Nahazoana vokatra nahafa-po ny tetikasa. Manampy ny reny bevohoka; mampihena ny taham-pahafatesana eo am-piterahana sy mampirindra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza io pilina io Mety hanamora […]
TARATRY ny KANTO
Karibotel – Zandry Gasy. Fotoan-dehibe ho an’ny tarika sy ireo mpankafy azy, satria izay indray vao ho hita an-tsehatra ry zalahy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho, iarahana amin’ny Zandry Gasy amin’ny endriny vaovao. Niampy mantsy ny mpikambana ary nanantombo ihany koa ny hira vaovao, zay ho santionany […]







