Other News

Basikety – Africa 3×3 : hiaro ny voninahi-pirenena any Egypte ny Ankoay

Taorian’ny taona 2022, tonga indray ity ny fotoana hiatrehan’ny Ankoay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 3×3. Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy. Nianga omaly teto an-tanindrazana hihazo any Le Caire Egypte ny ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “FIBA Africa 3×3”, taranja basikety, […]

INDRAY MIJERY

57 000 ny isan’ny mpianatra eny anivon’ny lycée misitraka tombontsoa mivantana amin’ny antontan-kevitra siantifika novokarin’ny fandaharanasa Educmad, anatin’ny faritra 14 manerana ny Nosy. Tsapa fa manomboka mahasarika mpianatra ny taranja siantifika taorian’ny fampiharana ny fandaharanasa tao ana­tin’ny taona maro. Miandrandra oram-baratra ny ankamaroan’ny faritra maro eto amin’ny Nosy manomboka anio, araka ny voalazan’ny foibe […]

TARATRY ny KANTO

Tao anatin’ny dimy taona, nanomboka nahitana fivelarana be ny fikarohana momba ny fanorona. Fantatra fa hivoaka tsy ho ela ny boky hoenti-mianatra ity lalaon-tsaina sady fitaizana no fanabeazana feno ity. « Fanorona fototra », nosoratan’i Zama Be na Andriatsarafara Jean Marie, izay tompondakan’i Madagasikara intelo. Fampisehoana « Cirque ». Hitohy anio, eny amin’ny Zaridainan’Anosy, […]

Fampirantian’i Joel Andrianomearisoa: misitraka voalohany Antananarivo

Tanterahina eny amin’ny Flow Gallery Ivandry, nanomboka ny 25 novambra 2023 hatramin’ny 29 febroary 2024, ny fampirantiana «Le crépuscule des promesses éternelles », an’i Joel Andria­no­mearisoa. Mpahay kanto manana ny lazany eo amin’izao tontolo izao ity manao seho ranty ity. Araka ny nambarany, eto Antananarivo no anehoana voalohany ity fampirantiana ity mialoha ny hanehoana azy any […]

Tontolon’ny hira: nodimandry i Jacques le Contrebassiste

Nindaosin’ny fahafatesana ny alatsinainy 27 novambra teo Rasoloniaina Jacques, fantatra tamin’ny solon’anarana « Jacques le Contrebassiste », teo amin’ny maha mpanakanto azy. Ny fitendrena io zavamaneno « contrebasse » io no nametraka azy teo amin’ny toeran’ny andrarezin’ny hira malagasy. « Hafa mihitsy rehefa ny hira no asian’i Jacques, contrebasse », hoy ny mpitia zavakanto sy ny […]