Hotanterahina ny 14-15 oktobra ho avy izao, any Tunisie, ny ady tapakila hiatrehana ny lalao olympika, JO Paris 2024, taranja Rugby lalaovin’olona fito. Miisa valo ireo firenena mandray anjara amin’izany, ka ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara. Miaraka amin’izy ireo i Kenya sy i Zambie ary i Ghana. […]
Other News
Kitra – « Fenêtre FIFA » : anatin’ny fanomanana tanteraka ny Barea de Madagascar
Efa ao anatin’ny vanim-potoana ny « Fenêtre FIFA” isika izao. Miatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin’izany. Efa any Marôc ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ny alarobia 11 oktobra lasa teo, nanomboka nanao fanazarantena tao amin’ny kianjan’ny Academie Sportive Chabab Marôc, tao Casablanca, izy ireo. Natao hanomanana ireo lalao iraisam-pirenena […]
INDRAY MIJERY
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny habantseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny pasipaoro miisa 22 000. Torak’izany ny fanafarana fitaovana entina hametrahana ny laboratoara de Science médico-légal numérique (digital forensic laboratory). Ho an’ny minisiteran’ny Mponina, tapaka nandritra ny […]
TARATRY ny KANTO
“Festival Madajazzcar”. Hanamarika ny takarivan’ny anio, ny fampisehoana maro samihafa, ao anatin’ny « Festival International Madajazzcar » andiany faha-34. Anisan’izany ny eny amin’ny Fara West Faravohitra, iarahana amin’ny Zara Rajaona& Band, sy ny eny amin’ny Aérovillage Talatamaty, iarahana amin’i Solo Andrianasolo Quartet. Tselonina etsy amin’ny Piment Café. Volana vitsivitsy lasa izay no […]
“Jôkôsô – Festival du Rire »: nizara ny fahaiza-manaony ny mpanao hatsikana matihanina
Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny atrikasa sy fifampizarana tamin’i Fafa sy Océane Vonwertas, mpanao hatsikana avy ao La Réunion. Andro faharoa amin’ny «Jôkôsô – Festival du Rire » ity notanterahina omaly ity. Ankoatra ny fifampizarana sy atrikasa, nisy ihany koa ny fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanao hatsikana […]






