Other News

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka: jiolahy nanafika fianakaviana avy namadi-drazana

Naiditra am-ponja vonji­maika eny Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Fe­noarivo. Ny alahady 1 oktobra 2023 lasa teo, niharan’ny fa­nafihan-jiolahy ny fianakaviana iray avy nanao famadihan-drazana teny Fidasiana Antsa­hadinta Androhibe. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Ireo vola (aterokalao) azo tamin’ny tsodrano no saika halain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana […]

TSELATRA

Norobain’ny jiolahy dimy lahy ny vola mitentina 36 tapitrisa Ar tao Avaratsena, Tsiroanoman­didy, ny alatsinainy teo. Nihanika lavarangana ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tamin’ny varavarana tao ambony rihana. Nitifitra ireo mpivady tompon-trano avy hatrany ireto farany. Lasa ny vola. Fatim-behivavy iray hitan’ny fokonolona tao Anka­dinondry Sakay, omaly maraina. Efa potika […]

Iray maty, roa naratra : notsindromina antsy tao anaty taksiborosy!

Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray. Lehilahy roa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Karohina kosa ny mpandeha iray, nanindrona antsy azy ireo tao anaty taksiborosy. Lehilahy mpandeha tao anaty taksiborosy nandehanany ihany no namono nahafaty ny ramatoa iray tao Talatamaty, Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 5 oktobra teo. […]