Afaka efatra andro, hisokatra ny lalao ara-pirahalahiana anatin’ny “fenêtre FIFA”. Raha ho an’ny Barea de Madagascar, manomboka ny 9-17 oktobra izany, any Marôc. Nivoaka tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 22 voaantso Barea de Madagascar. Miisa 11 ireo milalao eto an-toerana ary 11 ireo […]
Other News
Tale Ratonson Haridera : misy misoloky ho Polisin’ ny harena an-kibon’ny tany
Nitondra fanazavana ny talen’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany, Ratonson Haridera, omaly. Voakasik’izany ny vaovao maromaro mahakasika ny sampandraharaha tantaniny. Anisan’izany ny tranga tany Port-Bergé, Tsiroanomandidy ary Tsaratanàna. Ho an’ny tany Port Bergé, nisy olona nitonona fa Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, niditra tao amin’ny efitranon’ny hotely niantranoan’ny vahiny iray. […]
INDRAY MIJERY
Foana ny filazana fampitandremana mahakasika ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, na izany aza, mbola hahery ny ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy fiakarany misongadina ny maripana amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ary hiitatra tsikelikely amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanana izany. Ny faritra Atsimo […]
Fiatrehana ny fivorian’ny Antenimiera: hanao tatitra eny amin’ny 13 mey ireo depiote
Hetsika hafa indray koa. Nanatitra taratasy fampahafantarana teny amin’ny prefektiora, Tsimbazaza, omaly, ireo depiote voafidy eto an-drenivohitra. Voalaza ao anatin’ izany fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ ny 13 mey izy ireo ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora. Nambaran’ny fampahafantarana fa ireo depiote voafidy amin’ireo […]
Fiatrehana ny fifidianana: hisokatra ny tsenan’asa ho an’ny takelakazon’ny afisy
Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao teny Mahazoarivo, omaly, ny fanomezana tsenan’asam-panjakana ho amin’ny fanamboarana ireo takelakazo, hametrahana ny petadrindrina momba ny fifidianana. Natao hampiasain’ny Ceni izany. Etsy andaniny, anisan’ny nankatoavina koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany momba ny fampidirana […]






