Afaka efatra andro, hisokatra ny lalao ara-pirahalahiana anatin’ny “fenêtre FIFA”. Raha ho an’ny Barea de Madagascar, manomboka ny 9-17 oktobra izany, any Marôc.
Nivoaka tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny lisitr’ireo mpilalao 22 voaantso Barea de Madagascar. Miisa 11 ireo milalao eto an-toerana ary 11 ireo mila ravinahitra. Tsy tafiditra anatin’ ireo mpilalao entin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra Barea, mankany Marôc, i Tendry sy Berajo. Niverina anatin’izany i Romain Metanire, Malagasy vodilaharana.
“Ny ratra nahazo an’i Tendry tamin’ny lalao nihaonana tamin’i Angola, ny volana septambra lasa teo, no tsy niantsoana azy. Tsy afaka i Théodin sy Ando fa ilain’ny kliobany. Mbola mikarakara ny taratasiny i Berajo satria vao haingana izy no nifindra tany la Réunion”, hoy ny Coach Rôrô. Misy mpilalao vaovao anatin’ity ekipam-pirenena ity dia i Trebel Adrien, milalao ao amin’ny Sporting Charleroi Belgique.
Marihina fa ny 9-17 oktobra no hisokatra ny varavarankelin’ny Fifa. Ny 14 oktobra ho avy izao, hifanandrina amin’i Mauritanie i Madagasikara any amin’ny Casa Blanca, Marôc, raha toa ka ny 17 oktobra ny lalao faharoa hihaonana amin’i Bénin, any an-toerana ihany.
Fitia
Ny lisitr’ireo mpilalao Barea 22 ho any Marôc :
Mpiandry harato : Rakotoasimbola Zakanirina (Elgeco Plus), Adrien Melvin (Thonon Evian)
Vodilaharana : Randriamanampisoa Elysee Tony (Elgeco Plus), Rakotondrajoa Andy Nantenaina (Disciples FC), Fortun Titouan Safidy (FC Nantes), Kenjy Van Boto (Pau FC), Rakotonirina Jean Martin (Elgeco Plus), Rabemananjara Rado Niaina (AS Fanalamanga), Metanire Romain Anthony (RFC Seraing), Rabarijaona Tantely Avotriniaina (CFFA), Randrianiaina Tantely Antoine (Disciples FC).
Hirakiraka : Trebel Adrien (Sporting Charleroi), Ilaimaharitra Marco (Sporting Charleroi), Raveloson Rayan Ny Aina Arnaldo (AJ Auxerre), Andriamanjato Tokifandresena Rojolalaina (Saint Pauloise FC), Rafanomezantsoa Lalaina (CFFA), Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier (Fosa Junior FC), Randriamanampisoa Nicolas (Fosa Juniors FC)
Lohalaharana : Razafindrakoto Jean Yvon (Fosa Juniors FC), Lapoussin Loic Andre Terry (RU ST Gilloise), Raheriniaina Ahmad El Hadary Ylan Clovis (Saint Michel United), Randrianantenaina Arnaud (El Gouna FC)




