Nisokatra ofisialy, ny alakamisy teo, ny kianja “multisport” ao Miarinarivon’Itasy. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja iraisana: basikety, volley ary handball. Tetikasa natao indrindra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena ity ary tanjona ny hampiroborobo ireo taranja ireo ao amin’ny faritr’Itasy. Ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny tanàna vaovao no nitokana ireo kianja ireo, […]
Other News
Rugby – XXL Energy Top 20: ho fantatra rahampitso izay hiatrika ny famaranana
Fihaonana goavana miandry ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Energy Top 20. Hiady izany ireo ekipa 4 sangany, ny Uscar sy ny FTM ankilany ary ny Cosfa sy 3FB andaniny. Lalao hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny ankatoky ny famaranana hiadiana […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahavelona sady mampidi-bola isan’andro ny fivarotana “jus fary”. Mahalany fary hatramin’ny 4 t ny mpivarotra iray rehefa mandeha ny tsena. Manodidina ny 120 000Ar kosa ny vola maty isan’andro. Mitaky herin-tsandry ny fanodinana ny masinina mitoto ny fary. Omena tari-dalana ho amin’ny fanondranana lohamenaka any amin’ny tsena amerikana ireo mpisehatra amin’izany. […]
Fandaharanasa Better Work : nodinihina ny hisian’ny asa mendrika
Natao ny 27 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra. Nandray anjara tao ny solontenan’ny minisitera voakasika, ny vondrona mpampiasa, ny sendika, ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpianatry ny oniversite, sns. Nikarakara ny Better Work Madagasikara, fandaharanasan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) sy ny Orinasa ara-bola […]
Fampandrosoana ny toekarena : omena tosika ny sehatrasa madinika
Betsaka ireo manampahaizana hita amin’ireo sehatra madinika sy tsy manara-dalàna. Miezaka mamorona sy manavao ny asa tanany izy ireo. «Tokony hampirisihina sy tohanana izy ireo mba hampandrosoana ny toekarena ho an’ny firenena », hoy ny akademisianina sy mpampianatra any amin’ny université de Kyoto, Dr Takahashi Motoki, nandritra ny fiofanana narahina velakevitra […]






