Nogiazana avokoa ireo vary simba milanja 96 taonina, natao tao anaty kamiao miisa 3 tratra tao Ambatolampy, ny herinandro teo, hisorohana ny fiparitahany eny an-tsena. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) hamantarana ny zava-misy marina. Nambara fa maro tamin’ireo trano fitehirizan’entana ao amin’ny faritra Atsinanana no […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nandiso ny vaovao miely ny fikambanana FOMF, tarihin-dRazaivola Raissa. Mbola voatazona ao amin’ny toby Ratsimandrava ity mpitarika azy ireo ity, hadihadiana momba ny fitsoahany ny fonja sy ny fisandohana andraikitra. Mbola hatolotra ny fampanoavana avy eo. « Tsy mitombina noho ny filazana fa nosamborina na tsy any am-ponja izy », hoy izy ireo. […]
Hetsika Rohy: “Mila hazavaina ny fandrafetana ny tondrozotra”
“Tsara ny hoe hamoaka tondrozotra hitondrana ny Tetezamita ny filohan’ny Fanavaozana, alohan’ny 28 febroary”. Io ny nambaran’ny mpandrindra teknika ny Hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny hoe hamoaka tondrozotra hitantanana ny Tetezamita ny fitondrana. Tokony handraisan’ny mpisehatra rehetra anjara ny famolavolana izany, raha ny fitakian’ny fiarahamonina sivily. […]
Manga ny lanitra
Efa niaraha-nahalala ny fihaonana teo amin’ny Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Azo lazaina fa tsy niova ary mbola manga ny lanitra eo amin’ny firenena roa tonta. Mitohy ny fifanampiana anatin’ny voina, miha mafy ny fifandraisana diplaomatika. Mbola mifanohana sy miara-miasa araka ny lamina ny andaniny […]
Fihaonana tamin’ny mpamatsy vola tao Paris : Mitaky asa miantraika amin’ny vahoaka ny filoha
Nanao dinikasa niaraka amin’ny mpamatsy vola, eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombona antoka ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël sy ny delegasionina notarihiny, nialoha ny nihaonany tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, omaly. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola hotanterahina eto Madagasikara. Hentitra ary nanamafy ny filohan’ny Fanavaozana fa […]






