FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny vaovao miely ny fikambanana FOMF, tarihin-dRazaivola Raissa. Mbola voatazona ao amin’ny toby Ratsimandrava ity mpitarika azy ireo ity, hadihadiana momba ny fitsoahany ny fonja sy ny fisandohana andraikitra. Mbola hatolotra ny fampanoavana avy eo. « Tsy mitombina noho ny filazana fa no­samborina na tsy any am-ponja izy », hoy izy ireo.

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote, Randria­nasolo Nicolas. Nohitsiny fa efa hivoaka ny krizy isika nefa manao ny fomba rehetra hampiadiana ny samy mpitolona ny olon-dRajoelina. Nanteriny fa efa nampiadiana ny praiminisitra sy ireo ekipan’ny fanaovazana. « Ny minisitry ny Serasera indray izao no hatao lasibatra sy hanaovana tambambe », hoy izy.

Naiditra am-ponja vonjimaika ny governoran’ny faritra Vakinakaratra, teo aloha Vy Vato Rako­tovao. Niakatra fitsarana tetsy Anosy ny tenany, afakomaly ary naiditra eny amin’ny fonjan’Avaradrano. Vesatra niampangana azy ny fikasana ho amin’ny fanakorontanana. Tsiahivina fa voasambotra tamin’ny herinandro lasa teo ny tenany.

Tsara fiatombohana, fa mila fitandremana ny diplaomasia, araka ny fanehoan-kevitry ny manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena, Raniriharinosy Harimanana.  « Tsy ilay firenena ihany no jerena fa ny mpitondra azy ihany koa mba tsy hiteraka olana vaovao eto amin’ny firenena », hoy izy.

Partager sur: