Fihaonana tamin’ny mpamatsy vola tao Paris : Mitaky asa miantraika amin’ny vahoaka ny filoha

Nanao dinikasa niaraka amin’ny mpamatsy vola, eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombona antoka ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël sy ny delegasionina notarihiny, nialoha ny nihaonany tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, omaly.

Voaresaka tamin’izany ny momba ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola hotanterahina eto Mada­gasikara. Hentitra ary nanamafy ny filohan’ny Fanavao­zana fa takina ny asa mivaingana sy hita maso. « Mba hifanaraka amin’ny tena filan’ny vahoaka malagasy, no andrasana amin’ireo tetikasa tohanana ireo », hoy izy. Na­hitsy ny tenany nilaza fa tsy tokony hijanona ho vinavina an-taratasy fotsiny sy eny ambony latabatra ny fandaharanasa. Takina ny tsy maintsy hisy fiantraikan’izany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina, araka ny nambarany hatrany.

Tanjon’izao dinika sy ny fihaonana izao ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny hanara-maso akaiky ny fandrosoan’ireo tetikasa lehibe, indrindra ireo mikendry ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amintsika.

Hatolotra ny Sadc ny Tondrozotra

Nambaran’ny filoha taorian’izao fihaonana izao fa efa eo am-panoratana ny Tondro­zotra ho an’ny Fanavaozana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. « Hosoniaivina ny atontan-taratasy rehefa hiverina aty Madagasikara izahay ka halefa any amin’ny Sadc sy ny Vondrona Afrikanina, mialoha ny 28 febroary izao », hoy izy. Nanteriny fa entina hampisehoana ny faniriana hanao ny dingana haingana mankany amin’ny fifidianana malalaka sy azo itokisana izany, araka ny nambarany hatrany.
Nihaona ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël sy ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron avy eo. Naharitra ora iray izany izay tsy azo natrehina.

Synèse R.

Partager sur: