Other News

Fandaharanasa Rindra: fiara sy moto ho an’ny minisiteran’ny fambolena

Natolotra omaly 28 septam­bra, ny fiara sy moto ao anatin’ ny Fandaharanasa fa­nama­fisana ny rafi-panjakana, hampiroboroboana ny fana­tsarana ny fambolena (Rindra). Mano­hana ity fandaharanasa ity ny Vondrona eoropeanina (UE). Ahitana fiara 4×4 miisa 4, (karazany station wagon), 4×4 miisa 2 (SUV) ary moto miisa 16 ireo fanampiana ireo, ham­piasain’ny Tantsoroka […]

FEPA : mila jerena ny paikadim-pamokarana

Fototra manome asa sy andry iankinan’ny toekarena ny famokarana eto Madagasikara. Maro ny ezaka vita saingy mbola betsaka ny tokony hatao hampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ilaina ny paikadim-pamokarana ka manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mpiantsehatra rehetra hamahana ny olan’ny tantsaha. […]

Fambolen-kazo 2024 : manohana ny VOI Ambohibary Moramanga ny Sumitomo

Manomana sahady ny taom-pambolenkazo 2023-2024 ny orinasa Sumitomo. Manome masomboly sy kojakojan-janakazo ho an’ny VOI miisa efatra any amin’ny kaominina Ambohibary Moramanga izy ireo. Natolotra ny Vondrona olona ifotony (VOI) any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Mora­manga, ny 27 septambra teo, ny fitaovana fikarakarana zanakazo sy ny fampisehoana ny fanamboarana fatana […]

Voly Vétiver : manampy amin’ny fikajiana ny loharano tsy ho ritra

Ahitra maniry sy ambolena izay efa miparitaka amin’ny faritra maro maneran-tany ny Vétiver. Mitondra soa eo amin’ny tontolo iainana sy ho an’ ny fahasalaman’ny olombelona koa izy io. Ahitana izany ny any Inde, izay faritra niaviany, i Chine, Malaisie, Haïti, amin’ny ranomasimbe Indianina ary atsimon’i Afrika. Efa ahitana izany maniry […]

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta teny Mahazoarivo, ny iraky ny ONU, tarihin’i Parfait Onanga-Anyanga. Naharitra ora 2 ny fihaonana momba ny ho fiatrehana ny fifidianana. Nihaona tamin’izy ireo koa avy eo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Niaraha-nidinika ireo dingana samihafa amin’ny zotram-pifidianana. […]