Other News

Fifidianana filohan’ny FMF : hatao anio ny antsapaka ho an’ireo kandidà dimy

Araka ny lisitra navoakan’ny Ceni eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy nisy latsaka fa nahafeno fepetra avokoa ireo kandidà dimy hifaninana ho filohan’ny FMF. Hotanterahina anio, eny Isoraka, ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ ireo kandidà dimy mirahalahy. Izay nirotsaka hofidina izay […]

INDRAY MIJERY

Mbola misy eto Madagasikara ny aretina habokana. Nihaona tao Fianarantsoa ny mpiantsehatra rehetra miady amin’ny habokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ny ady atao, nanao jery todika sy nandrafitra ireo paikady. Marihina fa maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana […]

TARATRY ny KANTO

« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]

Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana

Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Ana­lakely, ny varotra fampiran­tiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Ran­drianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mi­karakara ny hetsika. Maimaim­poana […]

« Jôkôsô- Festival du rire » : hetsika ho an’ny hatsikana malagasy

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eto Antananarivo ny « Jôkôsô- Festival du rire » andiany fahatelo. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny fiaraha-mifaly sy fitondrana fanampiana ho […]