Olana tampoka teo amin’ny familiana niafara tamin’ny lozam-piarakodia, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Olona iray maty ary dimy naratra.
Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray, raha toa ka avotra soa aman-tsara ireo olona dimy hafa niaraka taminy, nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny fokontany Ampahibe, Ambohitrimanjaka, omaly maraina, tamin’ny 8 ora sy sasany. «Niainga avy any Maevatanàna, hamonjy fivoriam-pianakaviana eto Antananarivo ireo mpandeha tao anatin’io fiara io», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Ambohitrimanjaka. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily no antony nitarika ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ny mpamily. «Nanomboka nilentika tsikelikely ny fiara. Nanavotra ireo mpandeha lasibatra ny olona nanatri-maso», hoy ny zandary. Avotra soa aman-tsara, saingy nentina toeram-pitsaboana avokoa ireo olona miisa dimy, ka anisany ny mpamily. Notazonina atao andrimaso eo amin’ny biraon’ny zandary izy hatao fanadihadiana. Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray. «Nananosarotra ho an’ireo olona nanavotra ny naka an’ilay ramatoa satria efa nilentika ny fiara», raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana.
Zaza roa latsaky ny 3 taona
Zaza latsaky ny telo taona ny roa tamin’ireo mpandeha lasibatra tamin’ity lozam-piarakodia teny Ambohitrimanjaka, omaly maraina, ity. Tsy nisy nahina ny ain’ireo zaza ireo, araka ny tatitra avy amin’ny manam-pahefana misahana ny fanadihadiana. Na izany aza, nampandalovina mpitsabo avokoa izy ireo, ahafahana manara-maso ny fahasalamany. Marihina, ankoatra ity loza teny Ambohitrimanjaka ity, taksiborosy iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny RN1, teo anelanelan’Antanambao Ambohipeno, kaominina Ambatolampy, distrika Tsiroanomandidy, omaly maraina tamin’ny 1 ora sy 15 minitra. Olona iray maty ary 14 naratra.
Tsiferana R.




