Other News

« Volana iray, mpanoratra iray » : homena sehatra i Hobiana sy ny asa sorany

Razanajatovo Andriani­merina Hobiana no tena anarany feno. Tsy zoviana amin’ ireo mpankafy sy mpanaraka ny vaovaon’ny haisoratra sy ny literatiora raha i Hobiana. Hatokana ho azy sy ny asa sorany indray ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», amin’ity volana septambra miditra oktobra ity. Toa ny mahazatra, manomboka amin’ ny fampahafantarana […]

Poopy – 40 taona an-tsehatra: hitohy any Frantsa ny fankalazana

Niavaka raha samy seho ilay “Premium live”, natolotr’i Poopy, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Nanaiky niara-nilalao mba hametraka tadidy mahafinaritra ireo mpankafy, nanomboka tamin’ny fampitoviana ny fitafy ka hatramin’ny fiaraha-miredona ireo hira nalahatra. Tsy vitan’ny nanatrika seho manokana fa tafiditra ho mpandray anjara anatin’ ny rakitsarin’ny “Tsy ahita” […]

“Haikanto ho an’ny Ankizy” : sekolim-panjakana dimy no hisitraka ny tetikasa

Vina iraisana sy tanjona iombonana ny fanabeazana ny ankizy malagasy, miatomboka amin’ny fahakeliny. Manana anjara sy anisan’ny mandavorary izany ny fikirakirana ny haikanto. Hanatrarana izany no nanaovana izao tetikasa izao. Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambato­mena, ny fanaovana sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra, ny fari-piadidiam-pampianarana […]

Vato karangana : ahavitana fitaovana fanaingoana trano

Asa iray mahavelona olona maro ny asa fanaovana vato, efa miroborobo fatratra eto an-toerana ny fanaovana izany. Ahitana izany ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ho an’ny faritra Anala­manga manokana, ahitana izany ny etsy Ambohiman­gakely, Ivato, Isotry, Amba­tomirahavavy, Ambohimalaza, Itaosy… Efa nisy nijanona tamin’ny asa ny sasany tamin’ izy ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hihodina tsy ho ela ilay milina mpamokatra menaka ao Ankadinondry Sakay. Hitoto voanjo 400 kg isan’ora ny milina, ahazoana menaka 160 l. Ampy hamatsiana ny milina ny voanjo avy amin’ny kaoperativan’ny tantsaha. Hiteraka asa fivelomana mivantana ny tetikasa ka tantsaha miisa 1800 hahazo tombontsoa amin’izany. Nohamafisina ny traikefan’ireo tomponandraikitra manara-maso […]